Psalms 64

Fiantsoana an’ Andriamanitra hanafaka amin’ ny fandrika amam-pitaka ataon’ ny olona, sy fanambarana ny havaliny ireny

Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.

1

2Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin’ ny tahotro ny fahavalo. 3Afeno aho tsy ho azon’ ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy, sy ny fitabataban’ ny mpanao ratsy, 4Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy. 5Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra. 6Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany? 7Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin’ ny olombelona, dia ny fony. 8Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan’ ny zana-tsipìka no fahavoazany. 9Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra
Na: Mihifikifi-doha.
izay rehetra mahita azy.
10Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon’ Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany. 11Mifaly amin’ i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.
Copyright information for Mg1865